The Ark Brought to Jerusalem

1. And David made him houses in the city of David, and prepared a place for the ark of God, and pitched for it a tent.
1. "David se bâtit des maisons dans la cité de David; il prépara une place à l`arche de Dieu, et dressa pour elle une tente."
1. Ary Davida nanao trano maro ho azy tao an-tanànan' i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an' ny fiaran' Andriamanitra.
2. Then David said, None ought to carry the ark of God but the Levites: for them hath the LORD chosen to carry the ark of God, and to minister unto him for ever.
2. Alors David dit: L`arche de Dieu ne doit être portée que par les Lévites, car l`Éternel les a choisis pour porter l`arche de Dieu et pour en faire le service à toujours.
2. Ary tamin' izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran' Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin' i Jehovah hitondra ny fiaran' Andriamanitra sy hanao ny asa fanompoana ho Azy mandrakizay.
3. And David gathered all Israel together to Jerusalem, to bring up the ark of the LORD unto his place, which he had prepared for it.
3. Et David assembla tout Israël à Jérusalem pour faire monter l`arche de l`Éternel à la place qu`il lui avait préparée.
3. Dia novorin' i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran' i Jehovah ho any amin' ny fitoerany izay namboariny ho azy.
4. And David assembled the children of Aaron, and the Levites:
4. David assembla les fils d`Aaron et les Lévites:
4. Ary novorin' i Davida ny taranak' i Arona sy ny Levita:
5. Of the sons of Kohath; Uriel the chief, and his brethren an hundred and twenty:
5. "des fils de Kehath, Uriel le chef et ses frères, cent vingt;"
5. "Tamin' ny taranak' i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roapolo amby zato;"
6. Of the sons of Merari; Asaiah the chief, and his brethren two hundred and twenty:
6. "des fils de Merari, Asaja le chef et ses frères, deux cent vingt;"
6. Tamin' ny taranak' i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roapolo amby roanjato.
7. Of the sons of Gershom; Joel the chief, and his brethren an hundred and thirty:
7. "des fils de Guerschom, Joël le chef et ses frères, cent trente;"
7. "Tamin' ny taranak' i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telopolo amby zato;"
8. Of the sons of Elizaphan; Shemaiah the chief, and his brethren two hundred:
8. "des fils d`Élitsaphan, Schemaeja le chef et ses frères, deux cents;"
8. "Tamin' ny taranak' i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roanjato;"
9. Of the sons of Hebron; Eliel the chief, and his brethren fourscore:
9. "des fils d`Hébron, Éliel le chef et ses frères, quatre-vingts;"
9. Tamin' ny taranak' i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valopolo.
10. Of the sons of Uzziel; Amminadab the chief, and his brethren an hundred and twelve.
10. des fils d`Uziel, Amminadab le chef et ses frères, cent douze.
10. Tamin' ny taranak' i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin' ny folo amby zato.
11. And David called for Zadok and Abiathar the priests, and for the Levites, for Uriel, Asaiah, and Joel, Shemaiah, and Eliel, and Amminadab,
11. David appela les sacrificateurs Tsadok et Abiathar, et les Lévites Uriel, Asaja, Joël, Schemaeja, Éliel et Amminadab.
11. Ary Davida niantso an' i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,
12. And said unto them, Ye are the chief of the fathers of the Levites: sanctify yourselves, both ye and your brethren, that ye may bring up the ark of the LORD God of Israel unto the place that I have prepared for it.
12. "Il leur dit: Vous êtes les chefs de famille des Lévites; sanctifiez-vous, vous et vos frères, et faites monter à la place que je lui ai préparée l`arche de l`Éternel, du Dieu d`Israël."
12. Ka nanao taminy hoe: ianareo no lohan' ny fianakavian' ny Levita, manamasìna ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran' i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ho eo amin' ny fitoerana izay namboariko ho azy.
13. For because ye did it not at the first, the LORD our God made a breach upon us, for that we sought him not after the due order.
13. "Parce que vous n`y étiez pas la première fois, l`Éternel, notre Dieu, nous a frappés; car nous ne l`avons pas cherché selon la loi."
13. Fa satria ianareo tsy nanao izany hatramin' ny voalohany, dia nasian' i Jehovah Andriamanitra banga tamintsika, satria tsy nitady Azy araka izay nandidiana isika.
14. So the priests and the Levites sanctified themselves to bring up the ark of the LORD God of Israel.
14. Les sacrificateurs et les Lévites se sanctifièrent pour faire monter l`arche de l`Éternel, du Dieu d`Israël.
14. Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
15. And the children of the Levites bare the ark of God upon their shoulders with the staves thereon, as Moses commanded according to the word of the LORD.
15. Les fils des Lévites portèrent l`arche de Dieu sur leurs épaules avec des barres, comme Moïse l`avait ordonné d`après la parole de l`Éternel.
15. Ary ny zanaky ny Levita nilanja ny fiaran' Andriamanitra tamin' ny hazo, tahaka ny nandidian' i Mosesy araka ny tenin' i Jehovah.
16. And David spake to the chief of the Levites to appoint their brethren to be the singers with instruments of musick, psalteries and harps and cymbals, sounding, by lifting up the voice with joy.
16. Et David dit aux chefs des Lévites de disposer leurs frères les chantres avec des instruments de musique, des luths, des harpes et des cymbales, qu`ils devaient faire retentir de sons éclatants en signe de réjouissance.
16. Ary Davida niteny tamin' ny lehiben' ny Levita mba hanendry ny rahalahiny ho mpihira miaraka amin' ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny harpa ary hampaneno ny kipantsona amin' ny fanandratana ny feo amim-pifaliana.
17. So the Levites appointed Heman the son of Joel; and of his brethren, Asaph the son of Berechiah; and of the sons of Merari their brethren, Ethan the son of Kushaiah;
17. "Les Lévites disposèrent Héman, fils de Joël; parmi ses frères, Asaph, fils de Bérékia; et parmi les fils de Merari, leurs frères, Éthan, fils de Kuschaja;"
17. "Ka dia notendren' ny Levita Hemana, zanak' i Joela, ary tamin' ny rahalahiny dia asafa zanak' i Berekia; ary tamin' ny taranak' i Merary rahalahiny dia Etana, zanak' i Kosaia;"
18. And with them their brethren of the second degree, Zechariah, Ben, and Jaaziel, and Shemiramoth, and Jehiel, and Unni, Eliab, and Benaiah, and Maaseiah, and Mattithiah, and Elipheleh, and Mikneiah, and Obededom, and Jeiel, the porters.
18. puis avec eux leurs frères du second ordre Zacharie, Ben, Jaaziel, Schemiramoth, Jehiel, Unni, Éliab, Benaja, Maaséja, Matthithia, Éliphelé et Miknéja, et Obed Édom et Jeïel, les portiers.
18. Ary naman' ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana.
19. So the singers, Heman, Asaph, and Ethan, were appointed to sound with cymbals of brass;
19. Les chantres Héman, Asaph et Éthan avaient des cymbales d`airain, pour les faire retentir.
19. Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia notendrena hampaneno ny kipantsona varahina.
20. And Zechariah, and Aziel, and Shemiramoth, and Jehiel, and Unni, and Eliab, and Maaseiah, and Benaiah, with psalteries on Alamoth;
20. "Zacharie, Aziel, Schemiramoth, Jehiel, Unni, Éliab, Maaséja et Benaja avaient des luths sur alamoth;"
20. Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin' ny Alamota.
21. And Mattithiah, and Elipheleh, and Mikneiah, and Obededom, and Jeiel, and Azaziah, with harps on the Sheminith to excel.
21. et Matthithia, Éliphelé, Miknéja, Obed Édom, Jeïel et Azazia, avaient des harpes à huit cordes, pour conduire le chant.
21. Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny harpa tamin' ny Seminita ho mpitarika.
22. And Chenaniah, chief of the Levites, was for song: he instructed about the song, because he was skilful.
22. Kenania, chef de musique parmi les Lévites, dirigeait la musique, car il était habile.
22. "Ary Kenania, lehiben' ny Levita, no tonian' ny hira; ary nampianatra ny hira izy, satria nahay."
23. And Berechiah and Elkanah were doorkeepers for the ark.
23. Bérékia et Elkana étaient portiers de l`arche.
23. Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin' ny fiara.
24. And Shebaniah, and Jehoshaphat, and Nethaneel, and Amasai, and Zechariah, and Benaiah, and Eliezer, the priests, did blow with the trumpets before the ark of God: and Obededom and Jehiah were doorkeepers for the ark.
24. Schebania, Josaphat, Nethaneel, Amasaï, Zacharie, Benaja et Éliézer, les sacrificateurs, sonnaient des trompettes devant l`arche de Dieu. Obed Édom et Jechija étaient portiers de l`arche.
24. "Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan' ny fiaran' Andriamanitra; ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin' ny fiara."
25. So David, and the elders of Israel, and the captains over thousands, went to bring up the ark of the covenant of the LORD out of the house of Obededom with joy.
25. David, les anciens d`Israël, et les chefs de milliers se mirent en route pour faire monter l`arche de l`alliance de l`Éternel depuis la maison d`Obed Édom, au milieu des réjouissances.
25. Ary Davida sy ny loholon' ny Isiraely mbamin' ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran' ny faneken' i Jehovah avy tao an-tranon' i Obed-edoma tamin' ny fifaliana.
26. And it came to pass, when God helped the Levites that bare the ark of the covenant of the LORD, that they offered seven bullocks and seven rams.
26. "Ce fut avec l`assistance de Dieu que les Lévites portèrent l`arche de l`alliance de l`Éternel; et l`on sacrifia sept taureaux et sept béliers."
26. Ary izao no niseho, rehefa nampian' Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran' ny faneken' i Jehovah, dia nanao fanatitra vantotr' ombilahy fito sy ondrilahy fito izy.
27. And David was clothed with a robe of fine linen, and all the Levites that bare the ark, and the singers, and Chenaniah the master of the song with the singers: David also had upon him an ephod of linen.
27. "David était revêtu d`un manteau de byssus; il en était de même de tous les Lévites qui portaient l`arche, des chantres, et de Kenania, chef de musique parmi les chantres; et David avait sur lui un éphod de lin."
27. "Ary nitafy akanjo hariry madinika Davida ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara sy ny mpihira sy Kenana ilay tonian' ny hira mbamin' ny mpihira; ary Davida koa nisalotra efoda hariry madinika."
28. Thus all Israel brought up the ark of the covenant of the LORD with shouting, and with sound of the cornet, and with trumpets, and with cymbals, making a noise with psalteries and harps.
28. Tout Israël fit monter l`arche de l`alliance de l`Éternel avec des cris de joie, au son des clairons, des trompettes et des cymbales, et en faisant retentir les luths et les harpes.
28. Toy izany no nampakaran' ny Isiraely rehetra ny fiaran' ny faneken' i Jehovah tamin' ny fihobiana sy ny feon' ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin' ny fitendrena ny valiha sy ny harpa.
29. And it came to pass, as the ark of the covenant of the LORD came to the city of David, that Michal, the daughter of Saul looking out at a window saw king David dancing and playing: and she despised him in her heart.
29. Comme l`arche de l`alliance de l`Éternel entrait dans la cité de David, Mical, fille de Saül, regardait par la fenêtre, et voyant le roi David sauter et danser, elle le méprisa dans son coeur.
29. Ary izao no niseho, nony tonga tao an-Tanànan' i Davida ny fiaran' ny faneken' i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin' i Saoly, ka nahita an' i Davida mpanjaka nitsinjaka sy nivazina, dia nikizaka azy tao am-pony izy.
<
>